KABARIN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA TAO AMINY AKADEMIA MIARAMILA ANTSIRABE
16 OKTOBRA 2012
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tafahaona
eto indray isika miara manome voninahitra ny famindram-pahefana eto
amin’ny AKADEMIA MIARAMILA. Koa voalohan-teniko dia misaotra ny Jeneraly
RASOLOFONIRINA Béni Xavier, Komandin’ny Sekoly teo aloha, noho ny
zava-bitany rehetra nandritry ny fotoana nitantanany ny Sekoly ; ary
mitsodrano feno ny Kolonely RAKOTONIRINA Léon Jean Richard, izay
voatendry ny fitondram-panjakana hisolo azy. Feno 45 taona ihany koa moa
ity Sekoly ity izay reharehan’ny Firenena Malagasy koa dia manantitra
ny arahaba ihany koa izahay amin’izany tsingerin-taona izany.
Kolonely RAKOTONIRINA Léon Jean Richard
Manana
ny lanjany eto amin’ny tantaram-pirenena ny AKADEMIA MIARAMILA. Nandray
ny andraikiny hatrany eo amin’ny fiainam-pirenena ireo manamboninahitra
voaofana tamin’ity toerana ity ary nanamarika hatrany ny
fitiavan-tanindrazana. Koa dia manainga etoana izahay ny hanohizana ny
ezaka efa vita amin’ny fanofanana manamboninahitra eto amin’ity toerana
ity.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Fantatsika rehetra ny fivoarana sy ny fiovàna misy ankehitriny eo amin’ny tontolo stratejika iraisam-pirenana.
Raisintsika ohatra amin’izany, ny tsy filaminana ao avaratry ny
Ranomasimbe Indianina ka anjakan’ny asan-jiolahy andranomasina, izay
manohitohina ny fandriampahalemana eo amin’ny fari-dranomasina avaratr’I
Madagasikara. Tsy latsan-danja amin’izany ny asa fampihorohoroana, ny
asan-dahalo sy ny asan-jiolahy isan-karazany, izay manohintohina ny
filaminam-pirenana.
Noho
izany rehetra izany dia manainga ny Minisiteran’ny Foloalindahy izahay,
mba hifantina tsara ireo mpianatra ho manam-boninahitra eto amin’ny
AKADEMIA MIARAMILA, na ara-batana na ara-tsaina, mba ho tena sangany,
afaka hiatrika ireo tranga samihafa ireo, ka hanome ainga vao ny
Sekoly, ary mba hahazoan’izy ireo fampianarana ara-miaramila tena feno
sy mahomby, mba ho manamboninahitra matianina, ho manamboninahitra
manana etika sy deontolojia, ho manamboninahitra antenaina fa ho afaka
hampitraka an’ity Firenena ity anaty fitiavan-tanindrazana, ary ho
manamboninahitra mavitrika sy tomady ara-batana.
Noho
izany indrindra no antony nahatonga anay, nanorina sy nametraka eto
amin’ny AKADEMIA MIARAMILA, foto-drafitr’asa fitaizam-bàtana, toy ny
DOJO sy ny SALLE DE MUSCULATION tena marara-penitra, miaraka amin’ireo
fitaovana ara-panatanjaha-tena.
Fantatsika
tsara ihany koa, ny fiovàna eran-tany noho ny fivoarana ara-teknolojia,
ka hiezaka arak’izany ny fitondram-panjakana amin’ny fampitaovana ny
Foloalindahy, mba hanatsarana ny fomba fiasa. Ohatra iray amin’izany ny
fampiasàna ny “GPS”, raha toa ka mbola “BOUSSOLE” no eo am-pelatanana
hatramin’izay ; ary indrindra ny “HELICOPTERE”, izay ho vidintsika mba
hahafahanareo manao “Filatsahana anelon’aina”.
Koa
amin’izao fitsingerenan’ny Faha-45 Taona nijoroan’ny AKADEMIA MIARAMILA
izao, izay azo lazaina fa efa feno fahamatorana tanteraka, dia tsy
maintsy mitondra fanovàna eo amin’ny fampianarana ara-miaramila isika
mba hampifandrindra izany amin’ny toetr’andro.
Mino
izahay fa tsy atoro voanjo hadina ny Komandin’ny Sekoly vaovao
amin’izany fanitsiana ny fomba fampianarana izanyka hitondra vina sy
paik’ady vaovao eo amin’ny fanofanana mpianatra ho manamboninahitra eto
amin’ny AKADEMIA MIARAMILA, izay hisahana ny fiarovana ny Firenena sy ny
tombotsoan’I Madagasikara hampandry fahalemana hatrany, ny tany sy ny
Fanjakana.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Mamporisika
anareo Tompon’andraikitra sy ny Miaramila tsy ankanavaka izahay,
indrindra fa ny ato amin’ny AKADEMIA MIARAMILA, izay fitaratry ny
Foloalindahy amin’ny ankapobeny, mba hitondra fanavaozana hita maso eo
amin’ny fahaiza-manao ara-miaramila, ho fitandroana ny
fiandrianam-pirenena sy ny fahatoniana eo amin’ny Vahoaka, ka hiverina
indray ny hasin’ny Foloalindahy, ho voninahitry ny Firenena sy ho
tanteraka tokoa ny teny filamatry ny AKADEMIA MIARAMILA hoe : “HO AN’NY
TANINDRAZANA”.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.
===========================================================
FAMPITAM – BAOVAO
Filoha Rajoelina Andry Nirina tao Antsirabe : Fiahiana
famindram-pahefana sy fitokanana trano fianarana haiady
tao amin’ny Sekoly Miaramila momba ny fiofanana Manamboninahitra.
Ary Nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’Antsirabe sy nanolotra
Fiarabe mpitaona fako ho an’ny Kaomina Ambonivohitra
Tonga
niahy sy niatrika ary nanome voninahitra ny famindram-pahefana teo
amin’ny lehiben’ny Sekoly Miaramila momba ny fiofanana Manamboninahitra
ao Antsirabe, androany 16 oktobra 2012, ny Filohan’ny Tetezamita sady
Filoha Faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry Nirina. Tao amin’ny
Akademia Miaramila no natao izany lanonana famindram-pahefana teo
amin’ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier lehiben’ny Sekoly teo aloha
sy ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean Richard hisahana izany andraikitra
izany. Nitarika izany lanonana izany ny Lehiben’ny Etamazaorin’ny
Tafika Malagasy, ny Jeneraly Ndriarijaona Jean André.
Nandritra izany lanona ara-Miaramila izany no nilazan’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy fa : “ny
Didim-panjakana laharana faha : 2012-789, tamin’ny 22 aogositra 2012,
tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notarihin’ny Filoha
Rajoelina Andry Nirina no nanendrena ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean
Richard ho Lehiben’ny fibaikoina ity Sekoly Miaramila ity”. Taorian’ny famindram-pahefana ara-Miaramila dia Matso lehibe no namaranana izany.
Raha nandray fitenenana ny Lehibe vaovao ny Sekoly Miaramila dia nanambara fa :”isaorana
manokana ny Filohan’ny Tetezamita, Rajoelina Andry Nirina nanome
fitokisana ny tenako tamin’ny nanankinana amiko ny fibaikoina ity Sekoly
Miaramila ity”. “Raisiko voninahitra sy adidy ny hisolo toerana anao.
Namatana zava-bita tsara aho tamin’ny fananganana fotodrafitrasa vitanao
sy ny fanatsarana ny fiofanana ara-Miaramila”, hoy kosa izy raha nankasitraka ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier. “Ao
anatin’ny tsingerin-taona faha-45 taonany amin’izao fotoana izao ny
Sekoly Miaramila eto Antsirabe. Rariny raha hifantoka amin’ny raharaha
Miaramila ny fanofanana sy ny fanazarantena. Ny tanjona dia ny hanofana
manamboninahitra manana ny fahaiza-manao tsaratsara kokoa, afaka
miatrika sy misedra ireo mety hanohitohinana ny fiandrianam-pirenena”. Ny Jeneraly Rasolofinirina Béni Xavier kosa votendry Lefitra faharoa ny Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika Malagasy.
Raha nandray fitenenana kosa ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien dia nilaza fa : “naneho ny fahavononany hatrany nanatsara ny Sekoly ny
Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier nandritra izay telo taona
nitondrany izay. Indrindra teo amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy ny
fanofanana ary ny fampidirana ny vehivavy ho fanajana ny Miralenta.
Izaho kosa mitso-drano an’ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean Richard
amin’ity andraikitra vaovao sahininy ity”.
Rehefa nandray fitenenana ny Filohan’ny Tetezamita, Rajoelina Andry Nirina dia : “nisaotra
ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier noho ny zava-bitany ary
nitso-drano an’ny Kolonely Rakotonirina Léon Jean Richard hahaleo
hahalasa amin’ity andraikitra vaovao sahaniny ity. Feno 45 taona
ankehitriny ny Sekoly Miaramila eto Antsirabe ka miarahaba ny mpianatra
sy ny mpitantana.Manana ny lazany manokana ary nandray andraikitra
hatrany ary nampiseho fitiavan-Tanindrazana ny Sekoly Miaramila rehefa
tojo fahasahiranana ny Firenena. Fantatrareo tsara ny fivoaran’ny
teknolojia amin’izao fotoana izao, indrindra eo amin’ny lafin’ny
stratejikia momba asa fanakorontanana ataon’ny olon-dratsy. Ohatra
amin’izany ny tsy fisian’ny
fandriam-pahalemana any amin’ny tapany avaratry ny fari-dranomasin’i
Madagasikara. Toy izany koa ny fampihorohoroana sy ny asan-dahalo.
Miantso ny Foloalindahy mba hifantina tsara ireo olona raisina hianatra
amin’itony toerana itony mba ho sangany afaka hiatrika izany (…).”
Taorian’izay
lanonana ara-Miaramila rehetra izay dia nisy ny fitokanana ny efi-trano
lehibe (Dojo, Salle de musculation) fianarana haiady sy fitaizam-batana
izay nampanantenain’ny Filohan’ny Tetezamita fa havaozina tanteraka ary
hasiana fitaovana manara-penitra tamin’ny fandalovany tao amin’ny
Sekoly Miaramila Antsirabe ny taona 2011.
Tanteraka
ny talata 16 oktobra 2012 izany ary narahana fanehoana fahaiza-manao
teo amin’ireo mpiofana manamboninahitra, amin’ny fampiasana ireo
fitaovana ireo izany. Nisy ihany koa ny fampanantenan’ny Filohan’ny
Tetezamita ny hanangana Fiangonana (Chapelle militaire) ho an’ny Sekoly
Miaramila. Tsy ho ela dia hanomboka ny fananganana izany. Ny Filoha Sekoly Miaramila ao Antsirabe.
Fanolorana fiarabe mpitaona fako
Ny
tolakandron’ny talata 16 oktobra 2012 indray dia nitafa mivantana
tamin’ny vahoakan’ Antsirabe teny Ivory, toerana misy ny foibe teknika
misahana ny fanadiovana ny tanàna (Voirie) eo anivon’ny Kaomina
Antsirabe Ambonivohitra. Nandritra izany no nanolorany ny fiarabe
mpitaona fako ho an’ny Fiadidiana ny tanànan’Antsirabe. Vahoaka marobe
no tonga nanotrona ny Filoha Rajoleina Andry Nirina sy ireo mpiara-dia
aminy nandritra izany na dia tsy nisy fampahafantarana mialoha aza
izany. Tomefy olona ny arabe, manoloana ny Voirie, mihazo ny lalan’i
Betafo nandritra izany fotoana izany.
Raha nandray fitenenana ny filohan’ny delegasion’ny Kaomina Antsirabe, Razafindrainony Lala Béryl fa :”mandray
7 volana amin’izao fotoana izao no nitantanany ny Kaomina. Natao ezaka
sy fanamby ny fanadiovana ny tanàna. Tratra 80 isan-jato izany
ankehitriny. Niarahana nisalahy tamin’ireo mpiasan’ny Kaomina miisa 550
izany. Misy Fokontany 360 ao anatin’ny velarantany 170 km² ny Kaomina
Antsirabe. Mahatratra 180 km ny halavan’ny lalana ao anatin’ny Kaomina.
Ny 20 isan-jaton’izany ihany no azo handehanana mandavan-taona. Noho
izany mangataka fanomezan-tanana amin’ny Fitondrana foibe izahay”. Isan’ny fangatahan’ny Lehiben’ny Faritra, Vakinankaratra, Razanakolona Paul ny “hananganana
Oniversité ao Antsirabe ary efa nisy ny fijerena ifotony ilay mijoro ao
Ambohitsilaozana - Ambatondrazaka ny fombafomba ahafahana manangana
izany. Nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny Minisitry ny
Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika ka nangatahany
fanampiana tamin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina”.
“Na dia tsy nisy aza ny antso natao tamin’ny : allô allô dia tonga maro ianareo”, hoy ny Filoha Rajoelina Andry Nirina, raha nandray fitenenana manoloana ireo vahoaka marobe tonga teny Ivory-Antsirabe izy. “Tonga
eto aho amin’ny maha-mpinamana. Rehefa misy ny manahirana dia eo foana
ny namana. Tonga eto aho hamaha ny olana. Hilazako tsiambaratelo ianareo
: izaho dia teraka teto Antsirabe. Ianareo ireo dia zanaka, zandry,
anabaviko ary rahalahiko noho izany. Andao isika hiara-hiasa hampandroso
sy hanao an’Antsirabe ho fankatahaka. Hajoro eto Antsirabe ny
Oniversité. Tonga eto aho hanolotra fiarabe mpitaona fako iray ho
anareo”, hoy ihany izy nanohy ny teniny.
Nisy
avy eo ny fampanantenana nomeny ny vahoakan’Antsirabe ny hanamboarana
ireo daba-pako miisa 50 ao an-tanàna ho fanomezan-tanàna amin’ny
fanadiovana.
Nampanantena
ny hanome “Camion benne” iray hafa ihany koa izy. Hatsangana ao
Antsirabe, eo anivon’ny Kaomina Ambonivohitra, ny Sampan-draharahan’ny
Vonjy Voina na ny “Pompier” ka hanome fiarabe ho amin’izany ny Filoha
Rajoelina Andry Nirina. Amboarina koa ireo lalana feno lavadavaka ao
Antsirabe. Raha ny hetahetan’ny Filohan’ny Tetezamita dia orinasa any
an-toerana ihany no hanatontosa izany asa fanamboarana izany. Teo
am-pamaranana ny kabariny ny Filoha Rajoelina Andry Nirina dia nilaza fa
: “hitsidika matetika
an’Antsirabe ary tsy ho ela izy dia hijery ny toerana sy ny
drafitr’izany Oniversite ary hametraka ny vato fehizoro izany miaraka
amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Prezidansa”.
Niara-dia
tamin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina tamin’izao fiahiana
famindram-pahefana tao amin’ny Sekoly Miaramila sy ny fanomezana fiarabe
ny Kaomina Antsirabe Ambonivohitra izao ny Minisitry ny Foloalindahy,
ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, ny Minisitry ny Filaminana
Anatiny, ny Jeneraly Razafindrazaka Arsène, ny Minisitry ny Serasera
Rahajason Harry Laurent ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny
Zandarimaria, ny Jeneraly Randrianazary. Nanotrona azy ireo tamin’izany
ireo manamboninahitra sivily sy Miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy,
ny Polisim-pirenena ary ireo tomponan’andraikim-panjakana isan-tsokajiny
ao Antsirabe.
Antananarivo faha, 16 oktobra 2012
Ny Mpiandraikitra ny Serasera
eo anivon’ny Fiadidiana
ny Filohan’ny Tetezamita